The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 45 › Bokin'i Ezekiela 45:5

Bokin'i Ezekiela 45:5

Ary tany dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, no ho an’ ny Levita, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny trano; ho zara-tany ho azy izany efi-trano roa-polo.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the five and twenty thousand of length, and the ten thousand of breadth, shall also the Levites, the ministers of the house, have for themselves, for a possession for twenty chambers.

In Context

4Ho anjara masìna amin’ ny tany izany ka ho an’ ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia izay manatona hanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, ary ho fitoeran’ ny tranony sy ho tany masìna hasiana ny fitoerana masìna.

6Ary homenareo koa ny zara-tany ho an’ ny tanàna, dimy arivo ny sakany, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany, mifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana; ho an’ ny taranak’ Isiraely rehetra izany.

Read all of Bokin'i Ezekiela 45

Cross References

Numbers 35:2Mandidia ny Zanak’ Isiraely mba hanome tanàna ao amin’ ny zara-taniny avy honenan’ ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.

Nehemiah 10:38ary mba hitondranay ho an’ ny mpisorona koa ny voalohan’ ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ ny vokatry ny taninay ho an’ ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin’ ny fambolenay.

Ezekiel 48:10Ary ho an’ ny mpisorona izany tany masìna voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny lavany avaratra, ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo; ary ny fitoerana masin’ i Jehovah no ho eo afovoany.

Ezekiel 48:20Ny tany voatokana rehetra dia dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masìna voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanàna.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 45:5

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 45:4Bokin'i Ezekiela 45Bokin'i Ezekiela 45:6 →