Bokin'i Nehemia 10:38
ary mba hitondranay ho an’ ny mpisorona koa ny voalohan’ ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ ny vokatry ny taninay ho an’ ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin’ ny fambolenay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 10
Cross References
Leviticus 27:30Ary ny ampahafolon’ ny vokatra rehetra ao amin’ ny tany, na avy amin’ ny tanimbary, na avy amin’ ny saha, dia an’ i Jehovah; masìna ho an’ i Jehovah izany.
Numbers 15:21Ny voalohan’ ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an’ i Jehovah hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.
Numbers 18:24Fa ny fahafolon-karen’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia efa nomeko ho an’ ny taranak’ i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin’ ny Zanak’ Isiraely izy.
Deuteronomy 14:22Aloavy tsara ny ampahafolon’ ny vokatra rehetra avy amin’ ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
2 Chronicles 31:11Ary nasain’ i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy; dia namboariny izany.
Nehemiah 13:31ary ny amin’ ny fanaterana ny kitay hazo tamin’ izay fotoan’ androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.