Bokin'i Ezekiela 46:9
Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin’ ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin’ ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin’ ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin’ ilay vavahady nidirany izy, fa amin’ izay tandrifiny ihany no hivoahany
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin’ ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.
Read all of Bokin'i Ezekiela 46
Cross References
Exodus 23:14Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.
Deuteronomy 16:16Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, eo amin’ ny tany izay hofidiny, dia amin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah;
Ezekiel 1:12Dia samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian’ ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.
Ezekiel 36:38Toy ny ondry aman’ osy masìna, izay any Jerosalema amin’ ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan’ ny tanànany efa lao amin’ ny olona maro toy ny ondry aman’ osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Hebrews 10:38Ary “ny oloko marina dia ho velon’ ny finoana;” Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.