Bokin'i Ezekiela 46:10
Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin’ ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 46
Cross References
2 Samuel 6:14Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan’ i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy.
1 Chronicles 29:22Ary nihinana sy nisotro tamin’ ny fifaliana be teo anatrehan’ i Jehovah ny olona tamin’ izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak’ i Davida, sady nohosorany ho an’ i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
2 Chronicles 7:4Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan’ i Jehovah.
2 Chronicles 29:28Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan’ ny fanatitra dorana.
Nehemiah 8:8Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ ny olona tsara ny teny novakina.
Psalms 122:1Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’ i Jehovah.