Bokin'i Ezekiela 47:16
dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan’ ny faritanin’ i Damaskosy sy ny fari-tanin’ i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin’ i Haorana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 47
Cross References
Genesis 14:15Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr’ i Damaskosy.
Numbers 34:8ary hatramin’ ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an’ i Zedada,
1 Kings 8:65Ary tamin’ izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin’ i Hamata ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin’ ny folo andro.
Ezekiel 47:17Ary ny fari-taniny dia hatramin’ ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin’ i Damaskosy, ary amin’ ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
Amos 6:14Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin’ i Hamata izy ka hatramin’ ny lohasahan-driaka any amin’ ny tani-hay.
Acts 9:2ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.