Bokin'i Ezekiela 7:11
Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny, na ny zava-mendrika eo aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 7
Cross References
Isaiah 5:7Fa ny taranak’ i Isiraely no tanim-boalobok’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Ary ny lehilahy amin’ ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.
Isaiah 14:29Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon’ ny bibilava no hihavian’ ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran’ afo manidina.
Jeremiah 6:7Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.
Jeremiah 16:5Fa izao no lazain’ i Jehovah: Aza miditra amin’ ny trano misy fisaonana, ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; Fa efa hesoriko tsy ho amin’ ity firenena ity ny fiadanako, hoy Jehovah, dia ny famindram-po sy ny fiantrana.
Jeremiah 25:33Ary amin’ izany andro izany Ny voavonon’ i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ ny faran’ ny tany anankiray ka hatramin’ ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany.
Ezekiel 5:11eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masìna tamin’ ny zava-dratsinao rehetra sy tamin’ ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.