Bokin'i Ezekiela 7:23
Manefa gadra, fa efa feno fitsarana ny amin’ ny fandatsahan-drà ny tany, ary feno fampahoriana ny tanàna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Make a chain: for the land is full of bloody crimes, and the city is full of violence.
In Context
22Dia hiamboho azy koa Aho, ka holotoiny ny rakitro; Fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.
Read all of Bokin'i Ezekiela 7
Cross References
2 Kings 24:4sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’ i Jehovah hamela ny helony.
Isaiah 59:3Fa ny tananareo dia voaloto amin’ ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin’ ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
Jeremiah 2:34Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin’ ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin’ izany rehetra izany.
Jeremiah 22:17Nefa tsy misy alehan’ ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
Jeremiah 40:1Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, taorian’ ny nandefasan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin’ ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin’ ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona.
Ezekiel 8:16Dia nentiny ho eo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran’ ny tempolin’ i Jehovah, dia teo anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin’ i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.