Bokin'i Ezekiela 8:6
Dia hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’ olona, hitanao va izay ataon’ ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon’ ny taranak’ Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin’ ny fitoerako masìna? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 8
Cross References
Deuteronomy 31:16Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
2 Chronicles 29:5Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin’ ny fitoerana masìna ny loto.
Psalms 78:60Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin’ ny olona;
Jeremiah 3:6Ary hoy Jehovah tamiko tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon’ Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
Jeremiah 7:30Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak’ i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.
Jeremiah 26:6dia hataoko tahaka an’ i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ity tanàna ity.