Bokin'i Ezekiela 9:1
Ary niantso tamin’ ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 9
Cross References
Exodus 12:23Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
1 Chronicles 21:15Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anilan’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
Isaiah 10:6Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan’ ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
Ezekiel 43:6Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.
Revelation 1:10Voatsindrin’ ny Fanahy tamin’ ny Andron’ ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon’ ny trompetra,