The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 9 › Bokin'i Ezekiela 9:2

Bokin'i Ezekiela 9:2

Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin’ ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin’ ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan’ ny alitara varahina.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And, behold, six men came from the way of the higher gate, which lieth toward the north, and every man a slaughter weapon in his hand; and one man among them was clothed with linen, with a writer’s inkhorn by his side: and they went in, and stood beside the brasen altar.

In Context

1Ary niantso tamin’ ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.

3Ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin’ ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin’ ny mpanoratra teo am-balahany.

Read all of Bokin'i Ezekiela 9

Cross References

Exodus 27:1Ary manaova ny alitara amin’ ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.

Leviticus 16:4Akanjo lava masìna rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masìna ireo, ka handro amin’ ny rano izy vao hiakanjo azy.

2 Chronicles 4:1Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.

Jeremiah 1:15Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin’ ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan’ ny vavahadin’ i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.

Jeremiah 5:15Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.

Jeremiah 25:9dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin’ ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 9:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 9:1Bokin'i Ezekiela 9Bokin'i Ezekiela 9:3 →