bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 9 › Bokin'i Ezekiela 9:3
Bokin'i Ezekiela 9:3
Ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin’ ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin’ ny mpanoratra teo am-balahany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the glory of the God of Israel was gone up from the cherub, whereupon he was, to the threshold of the house. And he called to the man clothed with linen, which had the writer’s inkhorn by his side;
In Context
2Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin’ ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin’ ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan’ ny alitara varahina.
4Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.
Read all of Bokin'i Ezekiela 9
Cross References
Ezekiel 8:4Ary, indro, teo ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin’ ny lohasaha.
Ezekiel 11:22Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Ezekiela 9:3