Bokin'i Ezra 6:15
Dia vita io trano io tamin’ ny andro fahatelo tamin’ ny volana Adara tamin’ ny taona fahenina nanjakan’ i Dariosy mpanjaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 9:9Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin’ Andriamanitray, na dia tamin’ ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason’ ireo mpanjakan’ i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon’ Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.
Esther 3:13Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ ny zaza amim-behivavy aza, amin’ ny indray andro monja, dia tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
Esther 9:1Ary tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin’ ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain’ ny fahavalon’ ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy),
Esther 9:17tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana Adara; ary nitsahatra izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.
Esther 9:21mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin’ ny folo sy ny fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana Adara isan-taona,