Bokin'i Ezra 7:15
ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin’ ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin’ ny sitrapo ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Chronicles 29:6Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan’ ny fianakaviana sy ny lehiben’ ny firenen’ Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ ny mpitandrina ny raharahan’ ny mpanjaka
2 Chronicles 6:2Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
2 Chronicles 32:23Ary ny maro nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda; dia nalaza teo imason’ ny firenena rehetra izy hatramin’ izany.
Ezra 6:4dia vato vaventy telo an-dalana sy hazo vaovao iray an-dalana; ary aoka haloa avy amin’ ny tranon’ ny mpanjaka izay lany;
Ezra 6:12Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon’ Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.
Psalms 9:11Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.