Bokin'i Ezra 8:15
Ary novoriko teo amoron’ ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak’ i Levy teo na dia iray akory aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Otahy sy Zaboda, avy tamin’ ny taranak’ i Bigvay, mbamin’ ny namany fito-polo lahy.
Cross References
Ezra 7:7Ary niakatra koa ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ny sasany amin’ ny mpisorona mbamin’ ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka.
Ezra 7:28sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin’ ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban’ ny tanan’ i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin’ ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
Ezra 8:21Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron’ ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan’ Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an’ ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
Psalms 137:1Teo amoron’ ny onin’ i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an’ i Ziona.
Ezekiel 3:15Dia tonga tany amin’ ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin’ izay nonina teo amoron’ ny ony Kebara, teo amin’ izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny aho.