Bokin'i Ezekiela 3:15
Dia tonga tany amin’ ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin’ izay nonina teo amoron’ ny ony Kebara, teo amin’ izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Ary nony afaka ny hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Read all of Bokin'i Ezekiela 3
Cross References
Job 2:13Ary niara-nipetraka teo aminy tamin’ ny tany hafitoan’ andro sy hafitoan’ alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.
Jeremiah 23:9Ny amin’ ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’ i Jehovah sy noho ny teniny masìna.
Ezekiel 1:3dia tonga tamin’ i Ezekiela mpisorona, zanak’ i Bozy, ny tenin’ i Jehovah tany amin’ ny tanin’ ny Kaldeana, teo amoron’ ny ony Kebara; ary ny tànan’ i Jehovah dia taminy teo.
Ezekiel 10:15Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zava-manan’ aina hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany.
Habakkuk 3:16Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; Ny molotro mipararetra noho ny feo; Azon’ ny fahalòvana ny taolako, ary mangovitra aho; Fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, Dia izay hiakaran’ ny mpanao andiany hamely ny olonao.