Epistily ho an'ny Galatiana 4:6
Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’ Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5hanavotany izay ambanin’ ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’ anaka.
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 4
Cross References
Jeremiah 3:4Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin’ izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora?
Matthew 6:6Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ ny Rainao, Izay ao amin’ ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina no hamaly anao.
Luke 11:13Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masìna ho an’ izay mangataka aminy?
John 7:39Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ ny mino Azy, no nolazainy tamin’ izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ ny voninahiny.
John 15:26Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
Acts 16:7ka efa tonga tany an-tsisin’ i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan’ ny Fanahin’ i Jesosy.