Epistily ho an'ny Galatiana 5:21
fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 5
Cross References
Deuteronomy 21:20dia hiteny amin’ ny loholona amin’ ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.
Matthew 25:34Ary amin’ izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’ izay eo amin’ ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
Romans 2:8fa ho an’ izay mitady ny ho an’ ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,
Romans 13:13Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ ny andro; tsy amin’ ny filalaovan-dratsy, na amin’ ny fahamamoana, tsy amin’ ny fijangajangana, na amin’ ny fijejojejoana, tsy amin’ ny fifandirana, na amin’ ny fialonana.
1 Corinthians 6:9Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’ olona sy ny sodomita
Ephesians 5:5Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ ny fanjakan’ i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).