The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Genesisy › Bokin'ny Genesisy 13 › Bokin'ny Genesisy 13:15

Bokin'ny Genesisy 13:15

fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

For all the land which thou seest, to thee will I give it, and to thy seed for ever.

In Context

14Ary Jehovah niteny tamin’ i Abrama taorian’ ny nisarahan’ i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin’ ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;

16Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.

Read all of Bokin'ny Genesisy 13

Cross References

Genesis 12:7Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’ i Jehovah Izay niseho taminy.

Genesis 17:7Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.

Genesis 24:7Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin’ ny tranon’ ny raiko sy tamin’ ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ ny zanako.

Genesis 28:4ary homeny anao anie ny fitahiana an’ i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen’ Andriamanitra an’ i Abrahama.

Genesis 35:12ary ny tany izay nomeko an’ i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany.

Exodus 33:1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, ho amin’ ny tany izay nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Genesisy 13:15

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Genesisy 13:14Bokin'ny Genesisy 13Bokin'ny Genesisy 13:16 →