Bokin'ny Genesisy 13:18
Ary Abrama nifindrafindra toby, dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 13
Cross References
Genesis 8:20Ary Noa dia nanorina alitara ho an’ i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin’ ny alitara.
Genesis 13:4dia teo amin’ ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ ny voalohany; ary dia niantso ny anaran’ i Jehovah teo Abrama.
Genesis 18:1Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrahama teo an-kazo terebintan’ i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran’ ny lainy izy, raha nafana ny andro;
Genesis 35:27Ary Jakoba nankany amin’ Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian’ i Abrahama sy Isaka.
Numbers 13:22Dia niakatra tao amin’ ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan’ i Zoana any Egypta.)
Joshua 15:13Ary Kaleba, zanak’ i Jefone, dia nomeny anjara teo amin’ ny taranak’ i Joda, araka ny didin’ i Jehovah tamin’ i Josoa, dia ny tanànan’ i Arba, rain’ i Anàka (Hebrona izany).