Bokin'ny Genesisy 30:2
Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran’ i Jakoba, ka hoy izy: Solon’ Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 30
Cross References
Genesis 20:18Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin’ ny ankohonan’ i Abimeleka noho ny amin’ i Saraha, vadin’ i Abrahama.
Genesis 29:31Ary rehefa hitan’ i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan’ anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
Genesis 50:19Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon’ Andriamanitra va aho?
Deuteronomy 7:13dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao.
1 Samuel 2:5Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka.
Psalms 113:9Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.