Bokin'ny Genesisy 39:20
Ary ny tompon’ i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran’ ny mpifatotra diso tamin’ ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 39
Cross References
Genesis 40:1Ary taorian’ izany ny mpitondra kapoakan’ ny mpanjakan’ i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta tompony.
Genesis 40:15fa nangalarina mihitsy avy tany amin’ ny tanin’ ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin’ ity lavaka ity aho.
Psalms 76:10Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. [Sela.]
Isaiah 53:8Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’ ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ ny tanin’ ny velona Izy, ka ny fahadisoan’ ny oloko no nikapohana Azy?
2 Timothy 2:9izay iaretako fahoriana hatramin’ ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’ Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.