Bokin'ny Genesisy 46:4
Izaho hiara-midìna aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan’ i Josefa no hanirina ny masonao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 46
Cross References
Genesis 15:14Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.
Genesis 48:21Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin’ ny tanindrazanareo.
Genesis 50:5Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin’ ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin’ ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atỳ indray.
Genesis 50:24Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin’ ity tany ity ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
Isaiah 43:1Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.