The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Genesisy › Bokin'ny Genesisy 49 › Bokin'ny Genesisy 49:25

Bokin'ny Genesisy 49:25

Avy amin’ ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin’ ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin’ ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin’ ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ ny nono sy ny kibo.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Even by the God of thy father, who shall help thee; and by the Almighty, who shall bless thee with blessings of heaven above, blessings of the deep that lieth under, blessings of the breasts, and of the womb:

In Context

24Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin’ ny tànan’ Ilay Maherin’ i Jakoba, dia avy ao amin’ ny Mpiandry, Izay Vatolampin’ ny Isiraely,

26Ny tso-dranon’ ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin’ ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan’ i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny.

Read all of Bokin'ny Genesisy 49

Cross References

Genesis 17:1Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.

Genesis 28:13Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama rainao sy Andriamanitr’ Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;

Genesis 35:3ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an’ Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin’ ny andron’ ny fahoriako ary nomba ahy tamin’ ny lalana izay nalehako.

Genesis 43:23Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an’ i Simeona ho eo aminy izy.

Deuteronomy 28:2ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao

Deuteronomy 33:13Ary ny amin’ i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin’ i Jehovah anie ny taniny Amin’ ny zava-tsoan’ ny lanitra, dia amin’ ny ando, Ary amin’ ny rano lalina mamitsaka any ambany,

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Genesisy 49:25

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Genesisy 49:24Bokin'ny Genesisy 49Bokin'ny Genesisy 49:26 →