Bokin'ny Genesisy 7:4
Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah azy.
Read all of Bokin'ny Genesisy 7
Cross References
Genesis 6:3Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin’ ny olona ny Fanahiko, fa amin’ ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.
Genesis 6:13Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Ny faran’ ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ ny tany Aho.
Genesis 7:10Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin’ ny tany ny safo-drano.
Genesis 7:17Ary naharitra efa-polo andro tambonin’ ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin’ ny tany izy.
Genesis 8:10Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin’ ny sambo-fiara indray izy.
Genesis 29:27Tanteraho ny herinandron’ ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.