Bokin'i Habakoka 1:13
Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangìna, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Habakoka 1
Cross References
Deuteronomy 23:15Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan’ ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masìna ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
1 Kings 2:32Dia hatsingerin’ i Jehovah ho amin’ ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin’ ny sabatra, dia Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilan’ ny Isiraely sy Amasa, zanak’ i Jatera, komandin’ ny miaramilan’ ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory
Job 15:15Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;
Psalms 5:4Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.
Psalms 10:15Torotoroy ny sandrin’ ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.
Psalms 34:15Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.