Bokin'i Habakoka 2:8
Fa efa namabo firenena maro ianao, Ka dia mba hobaboin’ ny sisa rehetra amin’ ny firenena kosa, Noho ny ran’ ny olona sy ny fandozana natao tamin’ ny tany, Dia tamin’ ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Habakoka 2
Cross References
Proverbs 22:23Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin’ ny adiny. Ary hanimba ny ain’ izay manimba azy.
Isaiah 33:4Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon’ ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.
Jeremiah 27:7Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan’ ny fotoana hamaliana ny tanin’ izy io kosa, ka hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.
Jeremiah 50:10Ary Kaldea ho voababo; Izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy Jehovah.
Jeremiah 50:18Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hovaliko ny mpanjakan’ i Babylona sy ny taniny toy ny efa namaliako ny mpanjakan’ i Asyria.
Jeremiah 50:33Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Niara-nampahorina ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda; Ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa azy.