The Bible Software
bible.software › Bokin'i Habakoka › Bokin'i Habakoka 3 › Bokin'i Habakoka 3:18

Bokin'i Habakoka 3:18

Nefa izaho dia mbola hifaly amin’ i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’ Andriamanitry ny famonjena ahy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Yet I will rejoice in the LORD, I will joy in the God of my salvation.

In Context

17Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,

19Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin’ ny havoanako. Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha.

Read all of Bokin'i Habakoka 3

Cross References

Deuteronomy 12:18Fa eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra hanin’ ny tananao.

2 Samuel 6:15Ary Davida sy ny taranak’ i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran’ i Jehovah tamin’ ny hoby sy ny feon’ ny anjomara.

Psalms 25:5Tariho amin’ ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.

Psalms 33:1Mihobia ho an’ i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon’ ny olo-mahitsy ny fiderana.

Psalms 85:6Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?

Psalms 104:34Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin’ i Jehovah.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Habakoka 3:18

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Habakoka 3:17Bokin'i Habakoka 3Bokin'i Habakoka 3:19 →