Bokin'ny Salamo 85:6
Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Wilt thou not revive us again: that thy people may rejoice in thee?
In Context
5Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
7Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian’ ny olonao aminao?
Read all of Bokin'ny Salamo 85
Cross References
Ezra 9:8Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin’ i Jehovah Andriamanitray tamin’ ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin’ ny nanomezany anay fihantonana eo amin’ ny fitoerany masìna, mba hohazavain’ Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin’ ny fahandevozanay izahay.
Psalms 71:20Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin’ ny fitoerana lalina amin’ ny tany.
Psalms 77:8Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
Psalms 90:14Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin’ ny andro rehetra hiainanay.
Psalms 149:2Aoka ny Isiraely hifaly amin’ ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin’ ny Mpanjakany ny zanak’ i Ziona.
Jeremiah 3:5Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin’ ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.