Epistily ho an'ny Hebreo 4:13
Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’ izay iafaran’ ny ataontsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 4
Cross References
1 Samuel 16:7Fa hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ ny olona no fijerin’ i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
2 Chronicles 6:30dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ka omeo ny olona araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon’ ny zanak’ olombelona,)
Job 26:6Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.
Job 38:17Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ ny aloky ny fahafatesana?
Psalms 33:13Eny an-danitra no itsinjovan’ i Jehovah, mijery ny zanak’ olombelona rehetra Izy;
Psalms 90:8Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin’ ny fahazavan’ ny tavanao.