Epistily ho an'ny Hebreo 9:21
Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Moreover he sprinkled with blood both the tabernacle, and all the vessels of the ministry.
In Context
20dia hoy izy; Ity no ran’ ny fanekena izay nandidian’ Andriamanitra anareo.
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 9
Cross References
Exodus 29:20dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ i Arona sy amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ny zanany, ary amin’ ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin’ ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara
Leviticus 8:15Dia novonoiny ny, ary nalain’ i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin’ ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin’ ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin’ ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
Leviticus 9:8Dia nanatona ny alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an’ ny tenany.
Leviticus 16:14Dia hangalany ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ka hafafin’ ny fanondrony amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin’ ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny rà impito amin’ ny fanondrony.
Ezekiel 43:18Ary hoy izy tamiko: Ry zanak’ olona, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin’ ny alitara amin’ izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rà aminy: