Bokin'i Hosea 2:21
Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin’ ny rariny sy ny hitsiny ary amin’ ny fitiavana sy ny indrafo ianao;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an’ i Jehovah.
Cross References
Isaiah 62:4Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak’ i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.
Isaiah 65:24Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.
Zechariah 8:12Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin’ ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.
Matthew 6:33Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
1 Corinthians 3:21Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra: