Bokin'i Hosea 4:13
Eny an-tampon’ ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin’ ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan’ ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ ny vinantovavinareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 12:10Koa noho izany dia tsy hiala amin’ ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin’ i Oria Hetita ho vadinao.
2 Kings 23:7Ary noravany ny tranon’ ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ireo nanenoman’ ny vehivavy lay ho an’ i Astarta.
Isaiah 1:29Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin’ ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin’ ny saha izay natokanareo.
Isaiah 57:7Teo an-tampon’ ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
Jeremiah 3:6Ary hoy Jehovah tamiko tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon’ Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
Ezekiel 6:13Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin’ ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin’ ny havoana andrandraina rehetra, eny amin’ ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin’ ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin’ izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin’ ny sampiny rehetra;