Bokin'i Isaia 1:13
Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masìna haroharoam-paharatsiana!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
Cross References
Exodus 12:16Ary amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna ho anareo ary amin’ ny andro fahafito koa hisy fivoriana masìna; tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ izany andro izany, afa-tsy izay hohanin’ ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
Leviticus 26:31Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
Numbers 28:10Fanatitra dorana amin’ ny isan-tSabata izany, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy.
Deuteronomy 16:1Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao fa tamin’ ny volana Abiba no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny alina.
1 Chronicles 23:31ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an’ i Jehovah na amin’ ny Sabata, na amin’ ny voaloham-bolana, na amin’ ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
Proverbs 7:14Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.