Bokin'i Isaia 13:4
Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an’ ny vahoaka be! Dia ny fitabataban’ ny fanjakan’ ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon’ ny maro, no manomana miaramila hiady,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 10:5Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
Isaiah 45:1Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin’ ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon’ ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
Jeremiah 50:2Ambaraonareo, eny, torio any amin’ ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra!
Jeremiah 50:21Iakaro Ibefikomiana sy ny mponina ao Arapamaliana; Ravao sy aringano manarakaraka azy, hoy Jehovah, ary manaova araka izay rehetra nandidiako anao.
Jeremiah 51:27Manangana faneva eny amin’ ny tany; Mitsofa anjomara any amin’ ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan’ i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.
Joel 2:1Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masìna! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ ny tany; Fa avy ny andron’ i Jehovah, eny, efa antomotra izany,