Bokin'i Isaia 19:21
Ary Jehovah hanao izay hahafantaran’ ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an’ i Jehovah amin’ izany andro izany; Dia hanompo Azy amin’ ny fanatitra alatsa-drà sy amin’ ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin’ i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 17:46Anio no hanoloran’ i Jehovah anao amin’ ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin’ ny miaramilan’ ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
Psalms 67:2Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; [Sela.] hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
Psalms 98:2Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason’ ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
Isaiah 11:9Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitro masìna izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’ i Jehovah, tahaka ny anaronan’ ny rano ny fanambanin’ ny ranomasina.
Isaiah 44:5Ny anankiray hilaza hoe: An’ i Jehovah aho: Ary ny anankiray koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba; Ary ny anankiray koa indray hanoratra amin’ ny tànany hoe: An’ i Jehovah, Ary ny anarana hoe Isiraely dia hotononiny amim-panajana.
Isaiah 56:7Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masìna, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin’ ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra.