Bokin'i Isaia 2:4
Ary hitsara ny adin’ ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Ry taranak’ i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin’ ny fahazavan’ i Jehovah.
Cross References
Psalms 46:9Avia, jereo ny asan’ i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
Psalms 72:3Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an’ ny olona, eny, ny havoana koa amin’ ny fahamarinana.
Psalms 96:13Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin’ ny fahamarinany.
Isaiah 9:5Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ ny mandrakizay Andrian’ ny fiadanana.
Isaiah 11:3Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’ i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan’ ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren’ ny sofiny;
Isaiah 11:6Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ ny zanak’ ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin’ ny zanak’ osy; Ary ny zanak’ omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.