Bokin'ny Salamo 72:3
Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an’ ny olona, eny, ny havoana koa amin’ ny fahamarinana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The mountains shall bring peace to the people, and the little hills, by righteousness.
In Context
2Hitsara ny olonao amin’ ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin’ ny fahitsiana.
4Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
Read all of Bokin'ny Salamo 72
Cross References
Psalms 72:16Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ ny tany.
Psalms 85:11Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.
Psalms 98:8Aoka hiteha-tanana ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra
Isaiah 32:17Ny asan’ ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
Isaiah 52:7Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Ezekiel 34:13Ary ho entiko mivoaka avy any amin’ ny firenena izy ka hangoniko avy any amin’ ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin’ ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin’ izay tsara honenana rehetra eran’ ny tany.