Bokin'i Isaia 21:3
Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:67Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan’ ny masonao.
Isaiah 13:8Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny.
Isaiah 16:9Koa izany no hitomaniako ny voalobok’ i Sibma, toy ny fitomanian’ i Jazera, handena anao amin’ ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin’ ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.
Isaiah 26:17Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
Jeremiah 49:22Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin’ i Bozra; Ary amin’ izany andro izany ny fon’ ny lehilahy maherin’ i Edoma dia ho tahaka ny fon’ ny vehivavy mihetsi-jaza.
Daniel 5:5Tamin’ izay dia nisy rantsan-tànan’ olona niseho ka nanoratra tandrifin’ ny jiro tamin’ ny lalotra sokay teo amin’ ny rindrin’ ny lapan’ ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.