Bokin'i Isaia 21:9
Koa, indreo, avy ny olona andiany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin’ ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 14:4dia hataonao izao oha-teny ny amin’ ny mpanjakan’ i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny, tsy ao intsony ilay tanàna volamena!
Jeremiah 50:2Ambaraonareo, eny, torio any amin’ ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra!
Jeremiah 50:29Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an’ i Babylona. Dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; Mitobia manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony, no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona tamin’ i Jehovah izy, dia tamin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Jeremiah 50:42Tsipika sy lefona no entiny; Lozabe sy tsy mamindra fo izy, ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ ny ady, hamely anao, ry Babylona zanakavavy.
Jeremiah 51:27Manangana faneva eny amin’ ny tany; Mitsofa anjomara any amin’ ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan’ i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.
Jeremiah 51:47koa, indro, avy ny andro hamaliako ny sarin-javatr’ i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.