Bokin'i Isaia 21:8
Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin’ ny fiambenako aho mandritra ny alina;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 63:6Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ ny fanahiko; ary amin’ ny molotra falifaly no hideran’ ny vavako Anao.
Isaiah 5:29Ny fierony dia tahaka ny fieron’ ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.
Isaiah 62:6Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangìna ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’ i Jehovah, aza mitsahatra;
Jeremiah 25:38Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan’ ny mpampahory sy noho ny firehetan’ ny fahatezerany.
Jeremiah 50:44Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin’ ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana no hiakarany ho any amin’ ny misy ahitra mateza; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
1 Peter 5:8Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;