Bokin'i Isaia 23:13
Indro ny tanin’ ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon’ ny Asyriana fonenan’ ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan’ ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Midradradradrà ianareo, ry sambon’ i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
Cross References
Genesis 2:14Ary ny anaran’ ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin’ i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.
Genesis 11:9Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin’ ny tany rehetra; ary tao no nampielezan’ i Jehovah ny olona ho eny ambonin’ ny tany rehetra.
Genesis 11:31Ary Tera nitondra an’ i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak’ i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin’ i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ ny Kaldeana hankany amin’ ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.
2 Kings 20:12Tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Berodaka baladana, zanak’ i Baladana, mpanjakan’ i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’ i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
Ezra 4:9Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaïta, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaïta, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,
Psalms 72:9Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.