The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 30 › Bokin'i Isaia 30:21

Bokin'i Isaia 30:21

Fa na mivily ho amin’ ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And thine ears shall hear a word behind thee, saying, This is the way, walk ye in it, when ye turn to the right hand, and when ye turn to the left.

In Context

20Ary homen’ ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;

22Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin’ ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin’ ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy.

Read all of Bokin'i Isaia 30

Cross References

Joshua 1:7Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian’ i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba hambinina ianao amin’ izay rehetra alehanao.

1 Samuel 12:23Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin’ i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.

Psalms 25:8Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.

Psalms 143:8Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.

Proverbs 4:27Aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia; Esory amin’ ny ratsy ny tongotrao.

Isaiah 35:8Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin’ ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 30:21

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 30:20Bokin'i Isaia 30Bokin'i Isaia 30:22 →