Bokin'i Isaia 36:13
Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin’ ny feo mahery tamin’ ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin’ ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’ i Asyria.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 17:8Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan’ ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon’ i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko.
2 Chronicles 32:18Dia niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan’ ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.
Psalms 73:8Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.
Isaiah 8:7Dia, indro, hampiakarin’ ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany;
Isaiah 36:4Dia hoy Rabsake tamin’ ireo: Andeha, lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’ i Asyria: Inona moa izato itokianao?