Bokin'i Isaia 44:19
Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin’ ny afo; Eny, efa nanendy mofo tamin’ ny vainafony aho: Efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; Koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan’ izay vatan-kazo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 7:23Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza.
Deuteronomy 32:46dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.
1 Kings 11:7Ary tamin’ izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, teo amin’ ny havoana tandrifin’ i Jerosalema, ary ho an’ i Moloka, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
Isaiah 5:13Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main’ ny hetaheta.
Isaiah 46:8Tsarovy izany ka mahereza ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina.
Hosea 7:2Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan’ ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.