Bokin'i Isaia 45:21
Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin’ ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 71:17Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
Isaiah 41:1Mangìna hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin’ ny fitsarana.
Isaiah 41:26Iza no nitory izany hatramin’ ny voalohany, mba ho fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba hataonay hoe: Marina? Tsy nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; Ary tsy nisy nandre ny teninareo.
Isaiah 43:9Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany.
Isaiah 44:7Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
Isaiah 45:14Izao no lazain’ i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran’ i Egypta sy ny tombom-barotr’ i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.