Bokin'i Isaia 49:4
Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’ i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin’ ny asako dia ao amin’ Andriamanitro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.
Cross References
Leviticus 26:20fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin’ ny tany.
Psalms 22:22Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga.
Isaiah 40:10Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.
Isaiah 53:12Koa dia hanome Azy anjara amin’ ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin’ ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan’ ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ ny maro sady manao fifonana ho an’ ny mpanota.
Isaiah 65:2Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin’ ny firenena miodina, izay mandeha amin’ ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,
Ezekiel 3:19Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin’ ny faharatsiany sy amin’ ny lalany ratsy, dia ho faty amin’ ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.