Bokin'i Isaia 7:2
Dia nambara tamin’ ny taranak’ i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin’ ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon’ ny vahoakany toy ny firondronan’ ny hazo any an’ ala, raha asian’ ny rivotra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 14:1Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin’ iny alina iny.
2 Samuel 7:16Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.
1 Kings 12:16Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
2 Kings 7:6Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan’ ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan’ ny soavaly, dia ny firodondrodon’ ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan’ ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Egyptiana hiady amintsika.
2 Chronicles 28:12Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin’ ny taranak’ i Efraima, dia Azaria, zanak’ i Johanana, sy Berekia, zanak’ i Mesilemota, sy Jehizkia, zanak’ i Saloma, ary Amasa, zanak’ i Hadlay, ka nanohitra izay vao avy tany an-tafika
Psalms 27:1Nataon’ i Davida. Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko; iza no hangovitako?