Isaiah 8:13
Jehovah, Tompon’ ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Sanctify the LORD of hosts himself; and let him be your fear, and let him be your dread.
In Context
Cross References
Genesis 31:53Ny andriamanitr’ i Abrahama sy ny andriamanitr’ i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain’ izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran’ i Isaka rainy kosa no nianianan’ i Jakoba.
Leviticus 22:32Ary aza manamavo ny anarako masìna; fa hohamasinina eo amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho: Izaho Jehovah,
Numbers 27:14fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin’ ilay nilan’ ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ ny rano teo imasony. (Izany no ranon’ i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)
Psalms 76:7Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
Isaiah 29:23Fa raha ny zanany mahita ny asan’ ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin’ i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan’ Andriamanitry ny Isiraely.
Matthew 10:28Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ ny helo.