Epistily nosoratan'i Jakoba 1:21
Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin’ ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20fa ny fahatezeran’ ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’ Andriamanitra.
22Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
Read all of Epistily nosoratan'i Jakoba 1
Cross References
Psalms 25:9Mitarika ny mpandefitra amin’ ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
Isaiah 29:19Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin’ i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin’ ny olona hifaly amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely,
Isaiah 61:1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
Ezekiel 36:25Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
Matthew 5:5Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.
John 6:68Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’ iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay.