Epistily nosoratan'i Jakoba 1:22
Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But be ye doers of the word, and not hearers only, deceiving your own selves.
In Context
Read all of Epistily nosoratan'i Jakoba 1
Cross References
Isaiah 44:20Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
Matthew 7:21Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra.
Matthew 28:20sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao.
Luke 11:28Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina izany.
John 13:17Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.
1 Corinthians 3:18Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin’ izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.